PAHINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PAHINA…
Mieza-mijinery saingy tsy mahita,
tsy jamba nefa koa tsy mety ny ho tafita.
Efa fitaham-bady dia mody tsy mijery,
toa tsy moana anefa, tsy afaka miteny!

Tia dia nampirafesiny, natao toy ny tsisy,
tsy mba vehivavy tokana, na koa vitsivitsy.
Fa efa ho iray tanàna, ity nimaolàna,
pahin-tsy mahita, dia nidona ny tolàna!

Efa nijangany dia mbola miari-pery,
ny lasa vitany avy no injay vita tsianjery!
Tsy leo ny mitanisa ny vono sy ny daroka,
tsy fay ny noana lava, sy kibo mangaroka!
Fa tsisy izay ho arapaka, fa lanim-badikeliny!
Kanefa dia ianao, no nolazaina anjeliny!

Pahina ny maso sa minia tsy mitazana,
‘ty anakao misento, ka zary mihidy vazana,
leo ny homa-maitso, leo miloaka anana,
lao ‘ty toetranao, miraviravy tanana?

Tsy rehefa hoe ialàna dia avy dia hipitsihana,
fa ‘zay tambiny sy toky, ve no hanahirana?
Tsy tia izy mantsy, matoa mampijaly,
ka ny zanaka naterany, no navelany ho mosary!

Tsy pahina ianao, fa mbola diso tia,
saingy ny zanakao no mila indray fitia,
avy aminao ‘lay Reny, tokana sy andriny!
Ahafahana mikendry, ny haavon’ny tanjony!
RRAG
17 Septambra 2003
--------
Rohy:
248 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0251