PAOLY SY PIERA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ialana tsiny amin'izay mety ho tohina fa tsy nenti-kanenjika olona akory ity tononkalo ity fa ainga sendra nandalo fotsiny

PAOLY SY PIERA...
Fahiny rehefa ianao ka napetrany,
tsy nisy ala-nenina mba niantso akory!
Ny ora miodina toa tsisy fetrany,
mitsanga-mitoetra dia injao sorisory!

I Paoly no nandrasana tamin'ireny,
fa mbola tsy tonga ary mety tsy ho avy!
Ianao 'ndrao nimonona dia miteny irery
aleo koa ho tonga fa hifampitady!

I Paoly tsy jamba na tsy mahalala ora,
fa fombany ny azy ny mampiandry anao.
Tsy antitra izy ka hisosa mora,
fa ny fotoanany mihitsy no mbola tsy izao!

Ankehitriny, ianao 'ty manao valifaty,
hoe vali-fingika fingaka ry Paoly!
Dia nianaranao ireo toetra ratsy,
ka hainao hatramin'ny fomban'i Paoly.

Tara lava ianao sy 'ndraindray mametraka,
tsy tonga amin'ny ora nampanantenaina!
I Paoly indray izany no mivalaketraka,
fa niandry an'i Piera hatramin'ny maraina!

I Pera 'zany moa ve no tokony iandrasana,
sa kosa i Paoly no zatra nampiandry?
Dia tsy mahatsapa irony andro lasana,
vao nampiandrasana, dia injao fa mitady!

Ianareo aloha izany no Paoly sy Piera!
Samy mihevitra ho fetsy fa toa tsy mandinika,
hoe iza moa izany no lany lera!
Fa ny fomba ratsy no dia hifanifika!
Ny tombony an'iza raha samy tsy tonga?
I Piera miandry sa i Paoly andrasana no hoe dongadonga?

Samy ho voan'ny hevitra tainginy,
ka tsy hifampatoky amin'ny zavatra atao!
Avy eo dia fatoran'ny vava sy laingany,
dia ataon'ny olona tsy fanao ianao!
Ka ny tombony ho an'iza raha samy tsy tonga?
I Paoly miandry sa i Piera andrasana no ho dongadonga?
RRAG
25 Jolay 2021
--------
Rohy:
283 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181