PEJY NOSORATANY! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PEJY NOSORATANY!
Ilay ianao nandalo, tinazany niserana,
reny toa nikalo, nihira fanenenana,
no nanaitra azy, nanoratr’ity pejy,
‘zay narafi-dahatra, sy nosoritin-tendry!

Noho ianao nisedra, olan’ny fitiavana,
no nanoratany ‘lay boky, misy anaranao.
Pejy maromaro, mitantara fahasambarana,
nolalovanao, isan’ny mirafitra ao!

Pejy nosoratany, manokana ho anao,
irony pejy valo, misy famantarana,
fa mbola ianao, no tiany hatramin’izao,
izay angamba, ‘lay tena fandaharana!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
310 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0859