PERATRA… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PERATRA… (SAFIDY: 2012)
Iny “souvenir”, tsiaron’ny alitara!
Ny foko velon-kira, nahita ilay anjara,
te mba hika mafy, haneho ny hafaliana.
Satria ianao mantsy, ilay tena olon-tiana!

Iny “souvenir” fitsiaro irony lasa!
Dingana mamaritra, mandrefy lanjan-kasa,
peratra varahina, saingy volamena.
Raha ny tena lanjany, no ‘ndeha hojerena!

Iny fahatsiarovana, fatotr’aina roa!
Tady famatorana, manambatra ny fo,
mety ratsy tefy, tsy toy ny an’ny hafa.
Saingy, iny peratra iny, no endriky ny lasa!

Iny fahatsiarovana, fato-po miray!
Tsy mety hovahàna, na dia mandrakizay,
fa entina any am-pasana, ny hasina lanjainy.
Tsy vao intsony izy iny, fa efa toa tranainy!

Iny no tsiahy, tsy matin-taona maro!
Iny peratra iny, tsy hananan’olo-maro,
sady misy lanja, noho ny an’ny hafa.
Iny peratra iny, no hany tsy nandràtra,
ny foko mbola mino!
RRAG
17 Desambra 2012
--------
Rohy:
377 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022