POETA HONO IANAO... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETA HONO IANAO...
Penina misosa mandrafitra litera,
singa hampiarenana ireo fo izay nianjera.
Nandatsa-dranomaso 'zay nanamando tava,
namafa ny tomanin'ireo mijaly lava!

Saina hasidintsidin'ny nofinofy lalina,
tsy marain-tsy antoandro, toa tsy andro tsy aman'alina.
Miazona ny tanan'ireo resin'ny fiainana,
ka zary ianao indray 'ty no hoe lasa fisainana.

Poeta hono ianao o? 'Lay hany mpampitony
fo vinakin-dratra, ka mitinaky izay ho zony.
Poeta hono ianao, sakaizan'ny alahelo,
sinaingy rehefa kotsa, dia eny no mielo.

Poeta raha ianao, mpitondra fanafody,
mpandrava ny hetraketraka nondesin'itsy tody.
Poeta ho'aho ianao e! Fanilon'ny hazavany...
Poeta tokan-tiany, tokana aman-tany...
RRAG
27 Martsa 2020
--------
Rohy:
477 1
Mpakafy: cedarf
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02