R.R.A.G… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
R.R.A.G… (SAFIDY: 2012)
Raha meva toa anjely, ny endriky ny zanako!
Raozy afa-jery, no haingon-davarangako!
Azoko handravonana, ny safidy hananako!
Gadra mba ho hahafahako, hanolotra ny tanako!

Raha sento sy tomany, no eny an-tavanao!
Rivotra mandalo iny, fa tsy hitoetra ao!
Afaka hatrany, ho toham-pandrosoana!
Gejan’ny omaly io, nahoana no tsy hovonoina?

Raha fifalian-dava, no mitoetra eny an’endriny!
Rafitra simenitra, no fototry ny kinendriny!
Angamba azo atao, ny manosika ny hafa!
Gisa sy akoho ve moa, dia hifanatsafa?
RRAG
Desambra 2012
--------
Rohy:
401 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213