RA NALATSAKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RA NALATSAKA…
Alahadin-dranomaso,
haizin’ny tantara!
Alin-torimaso,
no nitondra ilay fambara.
Nitondra misitery,
nilanja ràn’ny fo.
Tolom-panafahana,
fa tsy ady faharoa!

Rà narahin’aina,
faty nisavovona.
Fahafahan-tsy hantenaina,
sedra tsy mitovona.

Taona iray nandalo,
fa volana nitoetra.
Fingam-pahavalo,
alin’ny mpisetra.

Alin’ny tolona,
ho fanafahan-tanindrazana.
Alina hisedràna,
ny ady tena mazana.

Alahadin-drà nandriaka,
fery tsy afaka ao am-po.
‘Lay Gasikarakelintsika,
injay nilanja zoga roa!
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212