RADO A! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RADO A!
Feo manga miangolan'ny tahirim-peo,
no reko mangoly ny aty fanahy!
Nitazana ihany aho saingy tsy teo,
fa hay tsangambaton'ny aingam-panahy,
ity sisa reko mivetso 'reo toky!
Eh! Tsiaro sisa ny tahirim-boky!

Ny dinitra irony mieza-mampitraka,
mamerina koa ny fahazazana!
Ny voninkazo adaladala niahy naka laka,
fa tsy mba voalazon'ny fahatanorana!

Ny fiteny roa nianarana fiainana,
nojerem-pivoarana amam-pahalalana!
Ilay Ando kosa no nenti-nisainana,
sady namenoana ny fahabangana!

Sedra tsy hadino fa koa nametraka,
lesona iainana ianara-miampita.
Ao ny tsiaro no tena mipetraka,
na ireo efa voadingana na ny mbola tsy hita!

Zo saika hadino ilay maro mpitaky!
Isan'irony fibea fanahy!
Ao ny mody hendry sy mody mitapy,
no mihiaka mafy tsy misy ahiahy!

Raha atao bango tokana dia samy mpitaiza,
samy mpiaro sy mpanoro dia!
Ny fahalalahan-tsaina no tsy hay hoe nankaiza?
Tsy aingam-panahy ve raha tsy aingam-pitia?

Rado a! Fibeazam-po ny soratsoratrao,
nikolo ny saina hanakatra ny avo!
Tao no nandefy ny hiakan-talaho!
Tao no nanarina raha sendra lavo!
Misaotra ry Rado! Tody ny hafatra,
hoe eto an-tany, tsisy tonga lafatra.
RRAG
28 Mey 2021
--------
Rohy:
324 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743