RADO… (RRAG)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RADO…
Rado, na George ANDRIAMANANTENA!
Lavo ianao, ‘lay mba nantenaina,
hanoro sy hananatra, ny tanora ankehitriny.
Mba hahay hiaro-tena, handositra tsiny.

Rado, mangina tanteraka ny vahoakan’ny nosy.
Misaona ny gasy, fa tsy hoe nikorosy!
Ilay andrareziny izao, no nandao ny tany.
Nahoana raha fo Malagasy, no tsy mba hitomany?

Ny vatanao no lasa, fa ny fanahinao tavela,
miambina anay mba tsy hianjera.
Manohana anay, mba tsy hivarina an-kady,
tsy hamoy fo mbola velona, na dia mafy aza ny ady.

Ny asa-tananao, mijanona eto,
miantsa izany, dia velon-tsento,
hoe: “Harena lehibe no navelan’i Dada,
ho an’ny zanany sy ny taranany afara”.

Rado, na George ANDRIAMANANTENA!
Ilay andrarezin’ity firenena.
Nantsoin’ny Ray, hody amin’izay,
tsy ho tazana intsony, mandrakizay.

Rado, Rain’ny gasy rehetra.
Ilay nanoro anay, fa manam-petra,
ny ratsy atao, ka mety hitamberina.
Ny omaly ihany, no mbola hiverina.

Rado, misaona tanteraka ity firenena.
Rado, mitomany anao ny mpiray firenena,
satria lasa ianao, ‘lay tsy manan-tsahala.
Mandria am-piadanana, ry Dada malala.
RRAG
14-15 Janoary 2010
--------
Rohy:
524 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023