RAFANDEFERANA SY RAFIARETANA. (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAFANDEFERANA SY RAFIARETANA.
Tsy haiko ny hanameloka,
ireo ninia namingana.
Nampianjera ahy,
tan-davaky ny haizina.
‘Zay zary fisitrihana!

Tiako raha mba tokana,
tsy hisy hanan-droa,
ny sarisarim-piainana,
mety hahavoa,
na mbola hitondra soa.

Tsy vitako ny handrava,
ireo tokim-bava,
natolotro ny fony,
fa sao hahory,
‘lay fony efa mamery.

Tsy tantiko ny hahita,
zaza mitomany,
fa nilaozan-dreny,
ny akany mamy,
‘zay hany fialofany.

Dia novoleko am-po,
Rafandeferana!
Nalentiko an-tsaina,
Rafiaretana!
Fa izy ireo ihany,
no mety hitondra soa,
sy handresy ny tomany.

Na dia tsy haiko ny hamela,
ireo fahadisoana vitanao!
Na tsy ho vitako akory,
ny hamela ireo,
teny mandatsa sy manorisory,
‘zay nambaranao!
Dia hiezahako ihany,
mba hahafahako mandrindra,
mitàna hatrany,
ny finamanantsika.

Ka aleo ny ahy, ny ranomasoko,
hotanako foana, raha azoko atao!
Aleo ny alaheloko, hozakaiko irery,
raha toa ianao, tsy hahazaka izany!

Ka ho hafafiko mora eo amin’ny taniko,
Rafandeferana!
Hamafako mora, ny senton’ny tomaniko,
Rafiaretana!
Fa izy ireo ihany,
no mety hanafaka,
ireo mitomany,
‘zay efa ho an-davaka.
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
628 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204