RAFIN’I NENY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAFIN’I NENY…!
Hay ve ka namana tena tsy foy,
ity nanavatsava nandrava ny efa.
Ka saika ny ain’i Neny no nafoy,
fa izy sy i Dada dia lasa nilefa!

Hay moa ka ilay niara-nizara,
ny valala tokana hany tan-tanana.
Kanefa ankehitriny iaraha-mahalala,
fa izy no nandrava ilay fiadanana!

Hay koa moa izany ka ‘lay natokisana,
nizaràna ny sento sy ny hafaliana.
No vato nisakana toka-nisingana,
ka nitondra ny haizina sy ny fijaliana!

Sakaiza tsy vanona, tsy mendrika ho namana,
rafin’i Neny nandràtra ny fony.
Tsy nahay nitandro ilay fihavanana,
dia zary hain’andro nahamaina ny vony!

Rafin’i Neny! Sakaiza manody,
tsilo nanindrona ny fanantenana.
Tsy mataho-tsiny, tsy mataho-tody,
tsy naniry tandroka nefa satana.
RRAG
22 Febroary 2019
--------
Rohy:
390 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206