RAFOZAN-DOZA SENDRA VINANTO TSY VANONA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAFOZAN-DOZA SENDRA VINANTO TSY VANONA…!
Maro dia maro, ny tian’ny zanany,
fa leo setrasetra, sady leo eson-teny.
Itsy farany ‘zao, toy ny fehezin’ny tanany,
lazainy ho maola, sy tia jerijery.

Toy ny mpiasa, irony safidy!
Ny lahy koa ery, toa tsy mba miteny.
Izany tokoa ve, no hoe miadidy?
Tsy maintsy manao, izay tenin-dReny!

Kinanjo nivadika, ny pejin-tantara.
Tsy tamana intsony, ireo vony tsara!
Dia vony malazo, no nahazo laka,
ka iza indray ‘zany, no mety ho voadaka?

Vinanto tsy vanona, no indro anoloana,
mandreraka vava, mampiteny ny moana!
Saro-tenenina, indro sarotra atoro!
Toa vatan-kazo, vatan-kazo mijoro.

Bebe vava, mahita tenenina!
Rafozan-doza, ka nofatoran’ny nenina.
Tsy nahay nitsinjo, ny hoavin’ny zanany,
dia hidiran-doza, hatramin’ny taranany.

Rafozan-doza sendra, vinanto tsy vanona!
Miady lava ao an-trano, tsy ahitana ny marina!
Tsy hamasahan-kanina, ‘ty sahota-tsy mijanona.
Ny zanany, ny vadiny, indray ‘zao no fanina.
RRAG
Mey 2013
--------
Rohy:
337 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0866