RAHA AFAKA MAHATSIARO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA AFAKA MAHATSIARO…
Raha afaka mahatsiaro, ka hifoha avy any am-pasana,
na afaka mamihina, ny olona efa lasana.
Dia hisy indray masoandro, hanampy ny efa misy,
ka ny alahelo rehetra dia, ho foana sy ho dify.

Raha afaka mamafa, ny ranomaso an-tava,
na koa hanafoana, ny tebiteby lava,
ny havana efa lavo, dia hitsangana hampitony.
Saingy indrisy anefa fa, efa tsy any intsony.

Raha afa-notambazana, hamita valifaty,
hamaly ireo nandràtra, sy izay nanao ratsy,
ny sakaiza efa nianjera, dia hafa no hiseho.
Kinanjo tsy afaka izy, fa ny azy efa hatreo.

Anjaranao irery no, miatrika ny fiainana.
Iza moa ny velona, mba afaka hitarainana?
Honjohonjo irery, ny adinao ety,
fa ny izay hanampy anao, dia ho sanatria!

Raha azonao faranana, ny vesa-pahafatesana.
Na azonao hatsangana, ny faty izay iambesana,
dia hisy volana eny, hisolo ny masoandro.
Ka ho fifaliana, no hatrehana isan’andro.

Raha afaka mahatsiaro, minitra iray monja,
ka miezaka mamaha, ny fatoram-ponja,
ireo izay nandrandraina, mpitondra fanjakana,
dia efa ela no nandroso, ity Madagasikara!
RRAG
Alahady 29 aprily 2018
--------
Rohy:
337 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0238