RAHA AVELANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA AVELANAO…
Raha avelanao hijanona hitaratra ny aliny
iry vola-manjopika sariaka tava iry!
Dia mety hovoafafa, ‘reo ràtran’ny omaliny.
Fery nitoetra, vokatra fitia!

Ry nofin’ny hoavy, etsy matoria,
mijanona kely, hamangy izato alina!
Fa mbola manantena, ity fony tia,
ny hahita ilay tiany, ‘zay tia azy marina!

Raha avelanao hamafa ny saona hivelomany
ny fo milom-pery, tsy hay ny hositranina!
Ka afaka ny hisedra, ny ady hitolomany
dia tsy hanan-kery intsony ny sangodim-panina!

Ny tsikitsiky am-pony no hitaratra ny fiainany!
Haravona hatrany no akany atao iainany!
Dia, raha avelanao hitatatata hiteny ny fony fa hoe tia,
ka ‘zay kinasainy tinanjona kinendry, hitsiry ho fitia!
RRAG
09 Nôvambra 2020
--------
Rohy:
365 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201