RAHA AVY AMINAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA AVY AMINAO…
Raha avy aminao ry vola ny hoe: “Fahafahana hotafiako,
dia aleoko aho tsy hitafy”, fa hiboridana eto,
hotazanin’ny mpandalo, ny hamafim-pijaliako,
satria tsy hanafaka ahy, ny aingam-betsovetso.

Ny tarobia mamatotra, tsy miendrika varahina,
fa toa vy maranitra, hatsatoka handràtrana,
ny hany hasin-danjako, miaro ny atim-poko,
raha vola sy harena, toa tsy hotompoiko.

Raha avy aminao, ny vesa-pahefako,
ny seza fiandrianako, sy ny hafa iantefako,
dia hivavaka aho, ny hahamay anao,
holatsaham-baratra, izao dieny izao.

Fa manempotra ahy, ny etona navoaka,
manenda ny fanahy, ny hevitra natsoakan’
ny fofompofonao, ry vola sy harena.
Ka tsy ho ela intsony, dia hanimba firenena!

Raha avy aminao, ny fanalahidin’ny fatorako,
aleoko aho voafonja, toy ny omaly ihany,
satria mba miadana aho, tsy misy hatahorako,
mihoatra anao, ry vola mpanambany.

Raha avy aminao, ny foto-pandrosoana,
nenti-nampandroso, ‘ty Gasikara mamiko,
dia aleoko izy osa, ka hanana finoana,
fa hoavy tsy ho ela, ny soa anjaran-taniko.
RRAG
12 Martsa 2004
--------
Rohy:
270 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213