RAHA AZONAO ATAO DIA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA AZONAO ATAO DIA…
Aza fongarina akory, ny lasa sy ny etsetrany,
ny mamy sy mangidy, ‘mbamin’irony setrany,
manaikitra tsy miato, toa tsy misy fetrany.
Aza avela hifoha, ny tsiaro sy tadidy,
na ‘rony nankahalaina tanatin’ny safidy,
na ‘retsy voatahiry fa mamy marikivy!

Aza tairinao ny fo efa mitony,
‘lay leo ny nitia, tsy te ho voadona intsony,
na ‘lay efa nanantena, ho halavirin-donilony.
Ka nandrafi-paika, handevenana ‘reo ràtra,
sy fery toa sakaiza ho efa mahazatra,
nipetraka ho fitomboka, mariky ny lasa.

Raha azonao atao dia vonoy ny amintsika,
aleo raha azo atao, mba ho samy vita,
satria tsy ary elatra, dia tsy afaka miampita.
Far aha azo atao, dia etsy hamafao,
kely na dia bitika, ‘ty ranomasonao,
ho ataoko fahatsiarovana, izao ora izao.
RRAG
27 Mey 2020
“Moramanga”
--------
Rohy:
243 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227