RAHA AZONAO SAKANANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA AZONAO SAKANANA…
Raha azonao sakanana, ny lahatra sy tendry, dia eo re mba ataovy.
Raha azonao baikoina, ny soritry ny kinendry, dia eo koa asaivo,
asaivo hanatanteraka, ny sitrapon’ny foko, izao dien’izao.
Iangavian’ny fanahiko, izany rehetra izany, raha toa ka sitrakao.

Raha azonao atao, ny manakana ny vintana, na ny manova azy.
Na ihany koa, azonao baikoina, ny fijerin-kintana, nanova ny omaly.
Dia baikoy izy, baikoy izao dieny ‘zao, tsy misy hatak’andro.
Tereo izy, tinereo, hamerina indray, ny taratr’ilay masoandro.

Raha azonao atao, ihany koa ny mba, manakana ny foko,
tsy hitanondrik’alahelo, amin’izay tsy anjarany, dia eo re mba sakano.
Na koa, azonao atao, ny mitàna tsy handehanan’ilay tiako tsy foiko,
dia eo mba iangaviako, iangaviako anao, mba tano!

Fa hisy any andro, saronan’itsy volana, hivadika ho taona,
hiteny tsy hiandry baiko, ny foko efa moana.
Hiteny aminao, ny tena alalim-pony, mitafo ilay fitiavana,
‘zay manam-paniriana, ny handray anao ho havana,
akaiky indrindra azy, famatony eto an-tany,
tokana amin’ny namany, hany, nahafafa ny tomany.

Raha azonao sakanana, ny anjara fahafatesana, mampalazo vony,
sakano dien’izao, dia ‘ty foko tony.
Fa sao dia toy ny lasa, noraketin’ireo ràtra, noheverina efa lo,
saingy injay nanindrona, nanata-perim-po.

Raha azonao sakanana, ny rivotra mpandrava, izay natsangantsika,
tohero izao dien’izao, fa sao hitondra hatsiaka.
Hatsiaka mamanala, tsy hisy mpanafana,
ka hampihibo-po, anaty hadalana.
RRAG
Martsa 2005
--------
Rohy:
261 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227