RAHA BE MANAN-TSOA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA BE MANAN-TSOA…
Angamba ry tany tsy hisy sahirana,
raha hitovy ny zara entin’ny fiainana.
Angamba ihany koa tsy hisy hanahirana,
raha lefy ny herin’ilay fitarainana.

Angamba ry tany tsy hisy alahelo,
raha ravan’ny fo ny ferin’ny lasa.
Ary tsy hisy ny hamerovero,
ny zava-tsy vitany tamin’ny kasa.

Raha be manan-tsoa, moa mba hisy hijaly?
Moa ny fo, mbola hizaka tomany?
Mbola hizaka latsa, sy eson’ny hafa!
Mbola hizogan’ny ràtra, nentin’ny lasa!

Raha be manan-tsoa, moa hisy ho moana?
Tsy afaka hiteny, fa hangina foana!
Moa hisy harenina, tsy afaka hihaino?
Ny soa ho an’ny jamba, diniho sy mba saino!

Angamba tsy hisy ady intsony,
tsy hisy hararaotra, hitondra lonilony.
Tsy hisy alahelo anoloan’ny lasana!
Tsy misy tsy foy, entin’ny fasana!

Angamba tokoa tsy hisy veloma!
Tsy hisy intsony fo iray hisaona.
Tsy hisy fahanterana hitondra any am-pasana.
Tsy hiadin-tsaina amin’ny hoavy hiandrasana!
RRAG
12 Febroary 2013
--------
Rohy:
206 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0965