RAHA HATORY IANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HATORY IANAO…
Raha hatory ianao dia, mba homano ao mialoha,
aza atao faram-pejy, fa tena nofy avy ao am-po,
no handravahana ny alina, toy ny ataon’ny kintan-danitra.
Tsarovy aho, raha hatory ianao, na takatrao ny faralanitra!

Raha hatory ianao dia, ny endri-tavako tsaroana,
ary ataovy ho isa-nofy, ‘lay oro-po izay nandona,
ny molo-tavanao malefaka, ny molotrao mihoso-mena,
nanala anaty ireo vesatra, ka nampihoso-dokomena.

Raha hatory ianao dia, ataovy ho voaloham-pejy!
Ataovy toy ny anilanao, ‘ty foko iray mikendry,
izay mba mety hahasoa anao.
RRAG
06 Febroary 2004
--------
Rohy:
357 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0794