RAHA HITENY MOA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HITENY MOA...!
Somary hafahafa ihany, toetra avy aiza no nitsiry?
Ity tsy mena-miboridana, eny imason'anadahy!
Maso sendra lasa ny azy, fa tsy izy no naniry,
ny hitazana ny henatra aza, dia mampivonto ny fanahy!
Takon-kenatra hono ireny, toa deraina ery 'ty izy,
ka hatreny an-davarangana, miboridana ohatr'izany.
Sao lahy! Efa mihoatra ny tokony ho izy,
mba mihevera ihany, fa mana-maso koa ny tany!

Fitafiana mahametra, toy ny lamba no tsy misy.
Fitafy efa toa mivelatra, sady manify dia manify.
Ny mpanjaitra angamba vendrana, sa mangala-damba kosa?
Sa raha tsy izany dia tsy enjana, sady koa tsy midi-trosa?
Dia ny mason'ny mpitazana, no lazaina adaladala,
izy hijery aza menatra, indraindray misalasala.
Mijinery anao anaty, izato akanjo hafahafa,
sa hoe: “Zipo fohy indray izao, fa efa hadino ny salaka?”
Fitafy tsy mitovy ireo, ekeko izany ka tsy holaviko,
fa samy koa mampiseho, tena maty aho! 'Ty vavahadiko!

Sa hoe lanitra no tiana, tianao iantsoako azy?
Tsy raharahaiko izany e! Fa amiko iny dia vavahady!
Lala-miditra any ho any, ilay takonanao fatratra,
nefa ny fihetsikao, no mampita izato hafatra.
"Inty aho e! Anao!" Mihika mafy ery ianao,
tratra atambo izay vao hoe! 'Ty lozako e! Lozanao!
Dia ny tsiny no hatoraka, ilay maso adaladala,
kanefa ny fihetsikao mihitsy, no niantso "avia malala"!

Nohitsahinao ny fahafahana, notsiniavinao ny zo,
ny fiainanao toa zary endri-baravarana, nahoana moa?
Satria ianao tsy nisafidy, ny ho hatositosika eny,
sady tsy hanan-jo hamaly, na ihany koa zo hiteny!
Fa safidinao izao, ka zakaina na dia mafy,
ho ràtram-po no vokatr'io, fery ho tahiry anaty,
hozakaina fa finidy, mety ho mandramaty.
Dia ahoana hoy ianao, raha hiteny moa ny maty?
RRAG
23 Mey 2017
--------
Rohy:
341 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216