RAHA HO FATY IHANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HO FATY IHANY…
Hoy ilay zaza:
Raha ho faty ihany, dia aleoko mba rahampitso, fa tsy izao dieny ‘zao.
Fa ny laoka ao hena, i Dada ihany koa, vao nividy kilalao.
Ka raha ho faty ihany, aleo mihinam-parany, mialavoly kely.
Midongidongy kely, mihanta amin’i Neny.

Hoy ilay resim-pitiavana:
Raha ho faty ihany, aleoko anio dia anio, dia hifarana ny ora.
Fa tanin-dràtram-po, mikiry mafy, mitondra fery handona,
ve dia hitoerana, ela toy izao?
Tsy aleoko maty, maty izao dieny izao.

Hoy ilay renim-pianakaviana:
Raha ho faty ihany, aleo mialohan-janako, fa toa tsy ho tantiko,
ny hahita ranomaso, hisoritra eny an-kandriko.
Tsy zakako izany, very sombin’ny aina, tsy hanan-kianteherana,
tsy aleoko alohany, ny ahy ny fanaperana.

Hoy ilay Rangahy maty vady:
Raha ho faty ihany, tsara ny anio, fa tiako hahita azy,
ilay vady tiako, nataoko mariazy, nanaovako voady.
Izay nandao ny tany, tsy ela akory izay, namela ahy irery,
aleo aho izao dieny izao, dia hangina tsy hiteny.

Hoy ilay tanoran-drendrarendra:
Raha ho faty ihany, aleo mba elaela, ilavitr’ity taona,
toa hafahafa mantsy, izany hoe, hangina sy hisaona,
ny “bar” sy ny “boite”, famonjiko isak’alina.
Aleo tsy ampitso mihitsy, mba kaozy tena marina!
RRAG
01 Nôvambra 2005
--------
Rohy:
302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221