RAHA HOTERENA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HOTERENA…
Sanatria tsy hoe biby,
ka tsy maintsy ho baikoina.
Sanatria tsy hoe didy,
zary ho lasa fanompoana,
ny fitiavana mitoetra,
‘zay hitovizan’ny rehetra.

Raha hoterena foana,
aleo kosa angamba tsisy.
Aleo ny fo hangina hisaona,
mody hisaron-tsikitsiky.

Raha hoterena ‘ty fitiavana,
toa tsy hisy raha hanjary.
Mainka handrava fihavanana,
raha toa tsy tendrin-janahary.

Aleo ny fo mba hisafidy,
izay mety hanaja azy.
Ka hahatontosa ireo adidy,
hamato-maty irony tady.

Raha hoterena foanafoana,
dia hiala na hisintaka.
Hangina hatory ka ho moana,
tsy ho renao hitsipatsipaka.

Raha hoterena foana,
moa ve izy hisy dikany?
Zary fandaniam-potoana,
fa ny aina foana no ho voatsikany.
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
233 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205