RAHA IANAO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA IANAO...!
Ry fitiavana, raha heloka ianao, aleo aho helohina,
hibaby ny vitako, hizoga ny sazy, izay mendrika ahy.
Ka ny fahatanorako, dia fonjan'ny fiainako, nefa tsy ho voadingana,
tsy afaka ho fafana, eo amin'ny lalako, 'ty isan'ny sedra mampiahiahy.

Raha ianao no fonja, aleo aho hiantrano, ao aminao,
ao aho no handry, hanorim-ponenana, mandrakizay.
Avelao aho re e! Avelao aho mba ho ao! Mba mitalaho,
fa mety ho samihafa mihitsy, ny ao aminao, sy ny any aminay!

Raha ianao no rano, aleo aho hilomano, hanadio ny tenako,
hanasa ny lasako, hamafa ny ràtrako, tsy tiako hifoha,
hikosoka mihitsy, hanafoana tanteraka, ireo niainako.
Ireo fijaliako, eny, na dia ny hafaliako, tamin'ny taloha!

Raha ianao no fasana, dia inona no andrasana, fa aleo aho handeha.
Aleo aho ho faty, fa mety tsy ho tanty, izany ilavitra anao.
Ka tsarovy izao, fotoana izao, fa rehareha.
Reharehan'ny foko, raha ny hitoetra, ao aminao!

Raha tsy misy ianao, aleo koa ho banga, izay antom-pisiako.
Ny sora-piainako, tsara fafana, kosehana mihitsy aza.
Satria tsy eo ianao, ilay foto-piainako, tontolom-paniriako.
Ka amiko, na izao tontolo izao aza, tsy ahoako na dia rava!

Kanefa raha rivotra ianao, tsarovy izaho, fa fiainako ianao.
Famatotry ny aiko, tena ilaiko, ho eo mandramaty.
Ka averiko indray, ry fitiavana anatiko, izato talaho.
Ny hijanonanao, fa raha ny tsy anilanao, dia tsy ho tantiko!

Ireo dia midika, fa sarotra amiko, ny ilavitra anao.
Tsy vitan'ny foko, izany miaina, tsy misy anao.
Ka raha tsy eo ianao, dia aleo samy foana, izaho sy ianao!
RRAG
04 Aprily 2017
--------
Rohy:
356 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202