RAHA IZAHO NO FILOHA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA IZAHO NO FILOHA…
Hoy ireto mamolava, mba tafaresaka,
efa fantatrao, fa balahoasy no betsaka.
Nefa toa marina, ity raha lazainy,
mba mandinika ilavitra, koa kay ny sainy!

Raha izaho no filoha, hoy i Ranitika:
“Dia tsinjoviko manokana, ireo madinika.
Faiziko jiaby, ireo nanjakazaka,
ireo pôlisim-bohitra, toa an-dry Razaka!

Irony zandary, miseho mieboebo,
toloran-kely, dia hita fa revo.
Ataoko mpanasa, ny lamban-dRafotsy,
mety ho voaolana tsara, irony bodofotsy!

Ireo miaramila, mameno tanàna,
alefako hamboly, tsy maninona, na dia tsy ho tamana,
f’ireny ihany, no mahabe dahalo,
sady raha eto ireny, dia ho be ny fahavalo!

Ny minisiterako, dia zaraiko tsara,
ialahy izao mpampianatra, dia omeko anjara,
hitantan’izany, fanabeazam-pirenena,
ialahy koa atokisako e! Ka hanaiky hotendrena!

I Rabodo mpivaro-damba, no ‘ndeha homeko,
minisiteran’ny varotra, fa io aloha tsy hotereko,
satria efa hainy, hatramin’ny mizara vilana.
Ka ireo nanjakazaka teo aloha, dia mety ho sahirana.

Randria mpitari-posy, no alefako hisahana,
ny minisiteran’ny asa, eny Ranamana!
Izy mantsy izao, no be fikafika,
hinoako mihitsy, fa tsy ho ela, dia tafita isika.

Irony vahiny, mibodo tany.
Aiza koa ireny no tsy hitomany,
raha alaiko aminy izay efa nalainy?
Ataoko tsy hitony, sy ho vaky ny sainy.

Dia eo no hanorenako, trano fivoahana,
tsy handoavam-bola, raha tsy hoe hasin-tanana,
enti-manatsara, ny foto-drafitr’asako,
tanterahiko daholo, izay nokinasako.

Ary mba ahoana e! Raha ialahy no filoha?
Asa ve, mba vonona koa?
Fa toa tsy miloa-bava na dia kely.
Sa ialahy tsy manofy, ny ho toy ireny?”

Raha izaho no filoha, hoy ity Ramamokatra,
dia avelako halalaka, ny bara hisokatra,
fa ry zalahy pôlisy, no tsy ekeko hiditra ao,
indrindra moa fa, ao amin-dry Ravao.

Ry lerony mantsy, miketrika sipa,
sipa efa hita, fa ankizintsika.
Dia injay mampitahotra, amin’ny basy an-tanany,
mandrahona mihitsy, no ataon’ireo namany.

Ialahy ve adala, hoy i Rangitrika,
hifanadala, amin’ny zaza bitika?
Ialahy te higadra, hanandram-bary tsy vidina.
Mba fero ihany, ity fahasahiana!

Izaho ve lesy ny filoha dia hisy hanagadra a?
Raha ny fahefako, aza atao mahagaga!
Fa irony mpitsara aza, ambany fibaikoiko,
afaka tereko, na dia hanala tsikoko!

Fa ity ialahy be vava, raha mba lasa filoha,
atahorako mihitsy, ny ho vaky loha,
harary saina, amin’ny zavatra kely,
matahotra foana, ny ho bedin-dReny.

Diso ialahy, fa raha izaho no filoha,
ireo izay efa nitondra, alefako masoivoho.
Amin’izay izy ireny, tsy sahy manohitra ahy,
satria voavidiko, hatramin’ny fanahy.

Ny andrimasom-pokonolona no omeko karama,
fa ry lerony zandary, ataoko tsy ho tamana.
Dia hanatevenako, ekipam-pirenena,
amin’izay ny Barea, mba mitondra fandresena.

Irony mpanondrana, harem-pirenena,
haondrako ny zanany, mba hatsapany tena,
fa lafovidy, ny ranomason’ny Gasy.
Ny sasany miaritra, ka izy no tsy hihafy!

Ny tany rehetra dia zaraiko amin’ny Gasy,
tsy misy ho avelako, hangasihasy.
Fa mba aoka kosa, samy hanana ny anjarany,
mba hitsinjovany, ny hoavin-taranany.

Avondroko daholo, irony mpanao basy,
hananganako orinasa, tena Malagasy.
Mba tsy hanafarako intsony, ireny any sina!
Tsy ny hahaleo-tena moa, no ho faniriana?

Toy izay no tafa, nifanaovan’ireto,
mpiara-mirevy, mba niray vetso.
Ka toy izany no hiseho, raha ireo no filoha,
fa mba ahoana kosa, raha toa ianao moa?
RRAG
19 Oktôbra 2017
--------
Rohy:
349 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1123