RAHA MBA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBA…
Raha mba maso mantsy aho,
dia afa-nankafỳ, ilay hakantonao.
Afaka nitosy, teny an-tratranao,
na nofy aza izao.

Afaka nisafo, ny endri-tavanao,
dia naka tsiron-tsiky.
Mba vetso toy izao,
no tiako hatsipy.

Raha mba rivotra aho,
afaka miserana,
matetika aminao,
hamaky ravim-pelana.

Hanainga ilay takonana,
manarona ny henatra,
dia avy aho hiantoraka,
hanao fiavian-tselatra.

Raha mba izaho ‘lay rano,
fisafonao ny tava,
fitahirinao an-trano,
fanontsananao ny vava.

Dia afaka hikitika,
ny lefaky ny molotrao.
Afaka ny hibitsika,
amin’ny atim-ponao.
RRAG
11 Desambra 2004
--------
Rohy:
315 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216