RAHA MBA FANTATRAO ANGAMBA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBA FANTATRAO ANGAMBA…
Mievotrevotra ao anatiko,
toa mandrovitra ny nofoko.
Mitroatroatra toa tsy tantiko,
ny hovitrovitry ny foko!
Manjavozavo toa tsy haiko,
hoe inona ary no ilaiko?

Saingy tsy mba fantatrao,
tsy hotsinapanao akory,
hoe misy fitia anaty ao,
‘lay vao tsy ela resi-tory.
Dia tinaitra izato jery,
babonao r’ilay anjely!

Manakana ahy ny henamasoko,
manjaka koa ny taho-kailika.
Manahy mafy aho ny ankasoko,
sao indray mitady hirika.
Handravàna ny tian-kajoro,
ka hinia indray ny handoro!

Raha mba fantatrao angamba,
ny tebiteby misamboara,
entin’ity foko jamba,
manahy ny hitia hoe sao voarara.
Dia tsy hanameloka ahy,
ianao ‘lay silaka fanahy!
RRAG
12 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
366 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215