RAHA MBA TSY NOFY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBA TSY NOFY...!
Tiako mba hiverina, tsy ho toy ny nofy fotsiny,
ny lasam-pahazazako, tahaka irony ankizy,
zaza milalao, tsy manana ny tsininy.
Saingy, toa tsiaro fotsiny izy!

Irony ankiafina, sy kivarivary!
Irony sangisangy, arahana fanorona!
Irony kilalao, toy ny kisarisary!
Akanim-pahasambarana, honenam-pahatsiarovana.

Irony safosafo, orokorok'i Neny!
Ny tambitambin'i Dada, arahana hantahanta!
Ny ditraditra kely, natao teny ho eny!
Dia hahatsapana fa, miavaka ny lasa.

Raha mba tsy nofy mantsy, ny jerim-pahazazana.
Ny hikahika maro, narahan-dranomaso!
Ny sentosento kely, midongy hafanana!
Hofihininin'i Neny, dia fafany ranomaso!
RRAG
11 Aprily 2017
--------
Rohy:
524 1
Mpakafy: RAVOSON
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204