RAHA MBOLA FITIA TSY HISY MPANDRAY (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA FITIA TSY HISY MPANDRAY (SAFIDY: 2012)
Nafafy ny voa, tsy nisy ny naniry.
Navoly ny fo, fa tsy mba nitsiry.
Hatraiza anefa, ny fanantenana?
Toa toy ny nofy,
ka maty tanteraka, ilay hazavana,
nama-mpitosy!

Raha mbola fitia, tsy misy mpandray,
dia aleo very dia, doroy any ho may.
Aleo entin’onja, handevim-panantenana!
Aleo izy am-ponja, raha mbola hadalana!

Raha mbola fitia, tsy misy fo mandray,
dia totofy tany, ho mandrakizay.
Hilevin-tsy hipotra, handràtra fon’ny hafa.
Ny diany tavela, ataovy tsara fafa.

Niandrasana namelana, ny raozy f’indrisy,
na ny raviny aza, toa mbola tsy misy.
Rahoviana anefa, no tanteraka ny nofiny?
Fa lefon’entiny ihany, ny rotsirotsiny!
RRAG
17 Desambra 2012
--------
Rohy:
421 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209