RAHA MBOLA MANAN’ANDRO... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA MANAN’ANDRO...
Raha mbola manan'andro, ahafahana manova,
irony zava-bita, dia araraoty izany.
Tsy ny endrika ivelany, no mahakanto rova,
fa ny fototra, miary ny endri-tany!

Raha eo ny fotoana, ka tsy mandao anao,
araraoty koa, ny mandrafi-kasa.
Ny mamela sy mifona, raha toa ka vitanao,
dia hiverina hadio, hadio indray ny lasa!

Ny Noely toy izao, no hametraham-binavina,
hamadiam-pejy vao, hitodihana amin'ny hoavy.
Andro hafakely, ivon'ny faniriana,
fotoana hanamafisana, irony fatoran-tady.

Hatahoranao tinapaka, horingitry ny lasa,
na hoe ho bobongolo, ho ringana sy ho foana,
ka hampihombo fery, hanitatra ny ràtra,
dia araraoty ihany, raha manana fotoana.

Ka raha mbola manan'andro, afaka handeferana,
dia sorito anio, ny vinan'ny hoavinao.
Fa raha eto an-tany, tsy misy fanaperana,
raha tsy hoe angaha, Tompo koa ianao?
RRAG
22 Desambra 2017
--------
Rohy:
271 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0375