RAHA MBOLA MISY ANDRO... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA MISY ANDRO...
Raha mbola misy sombiny,
na andro fohy dia fohy.
Raha mbola omena tombony,
amin'ny lalana hitohy.
Dia ny hitondra fanovana,
an-tsoratra ny saina.
No tiako hifandovan'
ny alina amin'ny maraina!

Raha mbola misy sioka,
miantso fo fa tia.
Raha mbola misy ambiokan'
ny fihatsarambelatsihy.
Dia hisy fitiavana,
hinday fankahalana.
Hisy fihavanana,
sisam-pandravana...

Raha mbola hisy maso,
hitsiriritra an-jery...
Ka hisy indray ankaso,
efa vita tsianjery.
Dia hisy ao sedra,
tsy ravan'ny herin-tsandry.
Ka ny ady tena 'ngeza
no zary atao fiandry.
RRAG
21 Nôvambra 2020
--------
Rohy:
195 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201