RAHA MBOLA MISY FO MITEPO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA MISY FO MITEPO…
Raha mbola misy fo mitepo,
dia aoka izy handeha!
Aleo izy hiala,
fa aza avela hisento!
Aza avela hitomany,
Na hitaraina akory!
Fa mijaly loatra mantsy,
ka toa mamery ny aty fony!

Raha mbola misy fo mitepo,
na misy aza ràtram-po!
Dia aleo milefitra ihany,
fa ny ampitso mety ho soa!
Mety tsy hisy koa tomany!

Raha mbola misy ihany,
fo miaina eto an-tany,
dia tsy maintsy hisy,
olon-dresy ka hitomany!
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
404 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209