RAHA MBOLA NY LELAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA NY LELAKO…
Raha mbola ny lelako,
no hanonona anao,
ry ‘lay Gasikara.
Dia tsy mba hoferako,
tsy avela amin’izao,
ho hisy handrara.

Raha mbola ny lelako,
no tsy notapahina,
ka afa-maneho,
ny hevitry ny tenako.
Dia ny aingam-panahiko,
no rafitry ny dina,
tsy maintsy ho haseho,
satria reharehako.

Raha mbola ny lelako,
no famatotra ho ahy,
ka tsy ahafahako miady,
miady ho anao.
Dia aleo fa tapahiko,
tsy asiako ahiahy,
tsy hozairiko tady,
fa aleoko amin’izao.

Ry tanin’ny razako,
izay tanindrazako!
Raha mbola ny lelako,
no hanakana anao,
dia aoka fa hoferako,
izao dieny izao.
RRAG
20 Desambra 2004
--------
Rohy:
272 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02