You are here: home > Vetso

RAHA MELOKA IZY, MOA MELOKA AHO? - RRAG

Azo vakiana?

RAHA MELOKA IZY, MOA MELOKA AHO?
Toa tsapako mikiky, maningotra ny aiko,
'reo adin-tsaina mitampify, mamatotra ny saiko,
raha vao voadona ianao, 'lay aina avy amin'ny ahiko!
Ka hany toa tsy tony, mivezivezy ity fanahiko!

Naditra ianao ry aiko, fa dia tsy nahoako,
ny lasanao rehetra, dia efa samy novonoiko.
Izay ràtra anao tanaty, reko fa narary ahy.
Fon-dRay ny ahy ka akory, ny hoe tsy hiahiahy?

Ry sombin'ny aiko, ianao ankehitriny lavom-piainana,
nisolifatra tsy fidiny, nomelohan'ny fisainan’
ny mpiara-monina aminao, fa diso kely sendra lavo!
Moa ve tsy meloka aho, ilay fototra nandavo?
RRAG
12 Mey 2017


Hametraka hevitra

Midira aloha