RAHA PENINA TSY HANORATRA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA PENINA TSY HANORATRA…!
Raha penina tsy hanoratra, tsisy ilaivako azy,
tsy aleoko saribao, no hindramiko hanoratana.
Hanoloako taratasy, ny tany andrefan-trano!

Fa raha penina tsy hanoratra, tsisy ilaivako azy,
ny taratasy indray aza, no hahiako ho tatatataka.
Ka raha voarainao dia, hampiditra angano!

Raha penina tsy hanoratra, tsy hahavita episitily,
tsy hahatanisa akory, ny fitiavako ato anaty.
Na mba ho hahafataranao, ny am-poko tsy miloaka!

Raha toa ka penina tsy hanoratra, dia mety ho hahitako tsiny,
hanalaviranao ny foko, ka ny fitiavanao ho faty.
Na mety hangina fotsiny, ka hatory tsy hivoaka!

Fantatrao moa hoe, tena tiako ianao o?
Ka raha penina tsy hanoratra, tsy hahatafitako izao,
hafa-nitahiry, tsy niloaka tao am-poko.

Ny hiantso ny anaranao, efa toa tsy foiko,
ny foko aza anie e! Manofy anilanao.
Raha penina tsy hanoratra, dia aoka amin’izao!
RRAG
18 Desambra 2017
--------
Rohy:
285 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222