RAHA RESAKA FITIA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA RESAKA FITIA...!
Raha resaka fitia, dia fo no resaka eto,
ao ny hafaliana, ary koa ny sento,
misy ranomaso, milatsaka indraindray,
fa ny tena fitiavana dia, 'lay mandrakizay!

Raha resaka fitia, misy sary maro,
ao no misingana, ao ny mifangaro,
fa miavaka amin'ireny, ny fitiavan'olon-droa,
tsy atao mahakivy fo, na dia 'ndraindray mahavoa!

Raha resaka fitia dia, misy pejy bobaka,
ao ny mampilamina, ampian'ny mampivoraka,
ry tiana sy malala, lalaina dia tiavina,
ao ny fo mitsiky, ao ny fo miavona.

Raha resaka fitia, dia misy loko roa,
tsy afa-miala mihitsy, ka zary lokom-po,
ny mainty manambara, fankahalana anaty,
ny loko mena kosa dia, fitia tsy mety maty!

Safidy dia anjara, lahatra sy tendry,
raha resaka fitia, dia misy adala sy hendry,
izay 'lay tia adala, renao isan'andro,
ao ny hazavana, resen'ny alok'andro!

Tia ianao ka tia, tiavo sy tandrovy,
efa anao re iny e! Ka ny anao arovy!
Fa raha resaka fitia, ao ny mpiandry tataka,
aza atao mahagaga, f'ireny ilay mpanataka!

Raha resaka fitia dia, tsy ilavitra ao ny toetra,
satria ny tena fitia, tsy mba manam-petra,
k'ilàna fiaretana, hatramin'ny fandeferana,
ny adiadikely anefa, dia toa tsy ferana!

Raha resaka fitia, dia fantatry ny manam-po,
mety hoe mandràtra, fa mba ao koa ny soa,
mety hisy fery, holatry ny lasa,
fa ao anatin'ny fitia, no mitsiry izay kinasa!

Mifankatiava ary, fa ny aina tsy hifametra,
aoka kosa izay, ny endri-tsetrasetra,
mahaiza ianao mitia, mahaiza ho tokam-po,
fa izay vato hatorakao, no mety mbola hahavoa!
RRAG
23 Aogositra 2017
--------
Rohy:
757 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315