RAHA SENDRA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao izay nentim-panenenana nandao ny olon-tiany no nanoratako ity! Tsarovy hatrany fa tsy misy mihoatra ny fitiavana izany! Sambatra izay mahay mitia! Mahaiza mifankatia!

RAHA SENDRA...!
Raha sendra ianao ka tojo,
ady mavaivay,
toy ny voafato-drojo,
an'afo mahamay!

Dia tsarovy izy,
ilay nitia tsy niato,
‘zay tsy nety kivy,
na dia niaina natsatso!

Tsy mba nahazo tamby,
na tsiky taminao.
Nataonao nampamangy,
raha iny ianao nandao!

Raha sendra ianao mahatsiaro,
eo mba tsiahivo izy,
na dia anaty kalo,
hira izay tadidy!

Tsaroanao fihainony,
fiventiny isan'andro.
Ao no misy laingony,
tinaratra masoandro!

Nomeny anao tam-pony,
tsy nisy fanerena.
Nefa ianao tsy foiny,
toa efa tsy hantenaina!

Ka raha sendra ianao maheno,
ny fitarainam-pony,
tsarovy fa ny vero,
'lay nitaingenam-pody.

Tsy folaka tsy akory,
fa nandefitra ihany.
Ka ny fitiavany tsy hatory,
fa miandry anao hatrany!

Ka raha mba sendra ianao,
mivavaka ho azy,
dia aoka ho toy izao:
"Aoka izahay hivady!"
RRAG
18 Septambra 2017
--------
Rohy:
381 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2714