RAHA SENDRA SORENA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA SENDRA SORENA...!
Raha sendra sorena ny tena indraindray,
ka mieza-mampitony ny fo efa hitroatra.
Dia mba tsarovy fa any misy iray,
olona tokana hanome anao mihoatra.

Fitia iray mihoatra ilay nandràtra anao.
Olona tokana hafa fijery!
Saingy io ilay tena tia, tena tia anao.
Fitiavana madio tsy misy teritery!

Raha sendra sorena ianao indray andro any,
na koa malahelo ny lasa rehetra.
Dia aza hadinoina fa any ho any,
misy fitia iray mbola mitsetra.

Raha sendra tomany ianao any ho any,
tsy misy mosoara ho famafa ranomaso.
Dia aoka ho tsaroana fa ny eto an-tany,
fiaina-mandalo tontolon'ny ankaso.
RRAG
22 Martsa 2017
--------
Rohy:
257 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201