You are here: home > Vetso

RAHA TADIDINAO… - RRAG

Azo vakiana?

RAHA TADIDINAO…
Raha tadidinao, irony lasantsika,
nitahiry tsiaro, kanefa nofafana.
Dia hotsaroanao, ny ali-mangatsiaka,
nisy tsiahy maro, nitondra hafanana.

Raha tadidinao, ny oroka nataoko,
teny amin’ny molotrao, iny alina iny.
Narahako ‘reo safo, teny an-tavanao,
dia hotadidinao, ny hatsaran’ilay fahiny.

Ny hamevan’ny anjara, natolotry ny lanitra!
Ny hakanton’ny tantara, noraketinao!
Dia hiaiky ianao, fa misy ny Andriamanitra,
nampatsiahy ireo, izay tsy tadidinao!
RRAG
12 Martsa 2013

Hametraka hevitra

Midira aloha