RAHA TEBOKA RY NENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TEBOKA RY NENY…
Raha teboka ry Neny, no fetra namaranan’
ny setrasetran-dahatra ny tanjo-nokinendry.
Dia tsipika ny ahy, no loham-piantombohan’
ny sedra itolomako saronan'ito tendry.

Mangidy anie izany, ilaozan'ny masoandro,
kanefa mbola lena, ny an-koditry ny tena.
Ka zary ranomaso, ilomanosana isan'andro,
ny fandaozana ny nofo, ‘zay toa mbola lena.

Raha teboka ry Neny, no fetra namaranan’
ireo vina nokendrena sy tiana ny ho tody.
Dia teboka nandràtra, ‘lay setram-pandaharana,
tsy afa-namaharana satria tsy nofinidy.

Maràtra ny aty fo, voatsindrona ny anaty,
fa hay ny ranomaso, tsy mahatohitra ny lahatra.
Ka zary fiondanana, ny vesatra tsy tanty,
rehefa saron’ny haizina, ny hany anjara taratra.

Raha teboka ry Neny, no nentina nanapaka,
irony tiana aboraka, saingy nosakanana.
Dia tsoraka no ‘ndao, hapetraka hanapaka,
ny fientanam-po, ‘zay tsy afa-nosakanana!

Tsy maintsy ho ranomaso, miary alahelo,
no hitroatra anaty, hanataka ny zaitra.
Ny setra-mpiankaso, koa injao mihelo,
saingy ny arofanina, dia efa tena raitra.

Raha teboka ry Neny, no fetra hanaperana,
ny ivon’ny tantara, iainana eto an-tany.
Dia aleo baraingo, no entin-kanombohana,
ny tohin’ny fiainana, raha any ankoatra any!
RRAG
30 Jolay 2019
--------
Rohy:
375 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205