RAHA TOA KA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TOA KA…
Raha misy manontany, ny momba ny fiainako,
dia aza omena valiny, fa ataovy hoe tsy haiko!
Raha manadihady anao, irony te hamandrika,
ka mieza-mitalaho, ny hamantatra ny antsika!
Dia ‘ty lazao aminy, hoe: “Izaho no tiany,
tokana sy maminy, raha mbola eto an-tany”.

Raha toa ka misy olona, tsy fantatrao akory,
renao mimonomonona, f’izaho! Hanao izay mahory,
satria tsy tia anao. Fa hoe: “Hilalao fotsiny!”
Ity izy! Manara-maso ny efitrao, kanefa ny fony, feno lonilony!
Mitsiriritra mafy, ny ho eo anilanao,
ohatran’ny tsy ho faty, raha vao mahita anao!

Raha misy miantsoantso, misioka toa vorona,
milaza ny hakanto, toa tsy nametrak’olana.
Dia voron-diso lalana, toy ny tsy manan-tompo,
lazao azy tsara, fa hoe anao ny foko!
Eny anao irery, ianao ilay safidiko,
ka zary tsianjery, ny fonao ‘lay nofinidiko.

Raha toa ka misy olona, manotasota ahy amin’ny anarako,
dia aza asiana olana, fa tsy ho sakan’ny lalako.
Raha misy manaratsy, ny toetra hoe hananako,
dia aoka tsy ho ny ratsy, no hamaliana azy, f’izay no hanafarako.
Tiako foana ianao, hinoako koa hoe tia ahy,
ny eo anilanao, dia lavitra ahiahy!
RRAG
09 Oktôbra 2010
--------
Rohy:
285 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0285