RAHA TOA KA SANATRIA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TOA KA SANATRIA…
Ny foko mievotrevotra, tia fa toa miahotra,
manahy ny valin-teny, sady toa matahotra,
sao hoe tsy tiana, ka ho ankalaina indray,
aleoko mijanona, namanao mandrakizay!

Ny masoko mibanjina, mitazana anao,
toa mba te hamboraka, ‘ty fitiavako anao,
saingy misalasala, ny hilaza ilay fitia,
indrisy fa ho nofy, ny hotafara-dia.

Raha toa ka sanatria, voalazako tsy nahy,
fa hoe ianao ‘lay namako, no silaka fanahy,
dia aza asiana tsiny, fa vava sendra tsy ambina,
raha azoko atao dia, aleoko aho mitandrina.

Raha toa ka sanatria, sanatriaviko mihitsy,
hoe fantatrao ny am-poko, fa mba te hitampify,
te ho anilanao, te hiantratra eny aminao,
dia aza igagana, raha toa aho ka hoe nandao.

Nandao anao tsy satry, mba tsy handrava ny efa,
sao mantsy ny aty foko, minia indray misetra,
mamingana ahy indray, tsy hitia anao intsony,
ka zary lasa tsiniko, mahita anao toa ory!

Raha toa ka sanatria, tia ahy ianao,
dia avy dia fafao, koseho dien’izao,
sao mantsy handràtrantsika, hanapaka fatorana,
hamadika habibiana, ilay hany mba fahatsorana.
RRAG
10 Septambra 2018
--------
Rohy:
621 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213