RAHA TOA… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TOA… (SAFIDY: 2012)
Raha toa omena lanja, ny toky efa vita,
dia mety tsy hisy angamba, hamerana ny ditra.
Fa avy hatrany aho, hamarana ny lasa,
mba tsy noho ianao, dia hihombo indray ny ràtra.
Ka raha mbola misy any, afaka mizara,
dia iangaviako hatrany, ny am-ponao ry malala.
Hamenoako banga, tsy feno tamin’ny lasako,
handevenako ny antsanga, fototry ny ràtrako.

Raha toa asian-kasina, ny voady efa natao,
dia tsy hisy angamba, ola-mpiankaso mety hitatao,
hitondra ranomaso, handrakotra ny tava,
hanarona indray, ‘zay hany mba mazava.

Raha toa asian-kaja, ny fo izay miteny,
maneho ‘zay tena lanja, enti-misitery,
anatin’ny fitia, mampihavan’olon-droa!
Dia mba tsarovy ity, fa ho sambatra ny fo!
Ho rava ireo sakana, nihazona tsy hiroso!
Ho tototra ny lasana, ilay nisafotofoto,
tsy hita fiaingana, tsy hanam-piafarana!
Ka ho andro tsara, no hiandohan’ity tantara.
RRAG
Desambra 2012
--------
Rohy:
221 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205