You are here: home > Vetso

RAHA TSY MANDRAVA… - RRAG

Azo vakiana?

RAHA TSY MANDRAVA…
Raha tsy mandrava toe-tsaina, efa nilaozan’ny fahiny,
dia tsy hisy fandrosoana, eo amin’ny tolom-pirenena.
Raha tsy manova fomba fiaina, manaraka ny ankehitriny,
dia fandaniam-potoana, satria hiandry fanerena.
Hiandry didy havoaka, hiandry baiko foana!
Hiandry olon-tezitra, hanao baiko moana!

Raha tsy mandrava vina, dia tsy haharina fisainana.
Raha tsy manova dina, dia hotinerim-pitarainana.
Ho resy foana hatrany, na mikiry aza hitolona.
Dia mbola ho resy ihany, satria tsy mbola vonona.

Raha tsy mandrava toky, voatahirim-po maràtra.
Raha tsy manova pejy, fa miaina ny mahazatra.
Dia ny fery nentin’ny ela, no handrava velirano.
Ny tahirin-dasam-boky, no mety hahitana angano.

Raha tsy mandrava fomba, fanaom-po mahazatra
Ka faly mitoetra, amin’ny tsy an’ny tena
Sady mbola maka, ny anjaran’ny hafa
Dia ho resy foana, noho ny fitiavan-tena.

Ka ‘ndao handrava, handrotika ny lasa
Izay tsy hitondra soa, hafa tsy ny handràtra!
Hamery ny anaty, ‘lay efa sisan-jaitra
‘Ndao rotehina, fa efa toa tsy laitra!
RRAG
12 Janoary 2013

Hametraka hevitra

Midira aloha