You are here: home > Vetso

RAHALAHY…! - RRAG

Azo vakiana?

RAHALAHY…!
Misy aina mifameno, misy saina tsy iray.
Misy rà mampifamatotra, misy fo koa mampiray.
Fatoran-tady mampitambatra, aina amin’ny aina.
Saingy fifanoherana, eo amin’ny samy saina!

Rahalahy,
tsy voatinery kibo iray, fa mety nama-mahatoky.
Fanahy,
Tsy voatery hitovy akory, fa hoe mpizandry sy mpizoky.

Misy toetra samihafa, saingy tsy saraham-po.
Misy fo tsy iray fitempo, kanefa mahay mikaon-doha.
Misy koa mpifankatia, fitiavana hafa toa tsy hay!
Ireo ilay mpirahavavy, na mety koa mpirahalahy!
RRAG
27 Septambra 2019


Hametraka hevitra

Midira aloha