RAHA…MITROATRA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA…MITROATRA…!
Raha mbola mangina ny fo tsy mitroatra,
dia aleo handry ihany fa aza terena.
Fa hisy alahelo hahatonga azy hipoaka,
ka hamoha azy handrava izay nifanekena.

Raha mbola milamina ny aty fanahy,
dia aza terena hitsiry fankahalana.
Fa misy fetrany ihany ny fandatsahan-drà,
avy eo indray dia holazaina fa hoe hadalana.

Aza tinerena hifoha ny saka matory,
fa mbola hisy hifohazany indray andro any.
Ny saina mantsy anie mitroatra raha ory,
nefa miafara amin’ny ady hatrany.

Indrisy anefa ry mpiaro vahoaka,
fa notairinareo ny hambom-pony matory.
Raha ankehitriny izy no mikiry mitroatra,
dia vinakin’ny hatezerana sy ny sorisory.

Raha mbola ny fananany no nalainareo,
nangina teny izy fa tsy te hisahotaka.
Fa ‘ty ain’ny zanany nalatsakareo,
no mety hahamafy ny ady sy rotaka.

Ny anareo basy sy baomba an’alina.
Ny azy tanam-polo miary fahavononana.
Ianareo an’arivo na mety aman’alina,
fa izy aman-ketsiny no vonon-kisorona.

Tsy hisy rahoviana handresy vahoaka.
Tsy misy mahery mihoatra ny bala.
Fa tsy tananao izy rehefa hitroatra,
na hery tsy hitovy io na isa tsy ho sahala.
RRAG
23 Aprily 2018
--------
Rohy:
266 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205