RAKOTONDRAVAO TSIORINIRINA ANTSALALAINA (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAKOTONDRAVAO TSIORINIRINA ANTSALALAINA
Tsy ory fa nirina,
‘lay Antsa nolalaina.
Sila-paniriana,
sombintsombin’ny aina!

Tsy ory toy ny fo,
fa miavakava-toetra.
Safidin’olon-droa,
tsy ory na voafetra!

Nirin’ny fo miray,
‘zay fo mitepo anaty.
Olon-droa ‘zay tafaray,
no naniry azy mafy.

Antsam-peo manako,
ren’ny vodilanitra.
Arahina lamako,
sy fitiavan’ny mahantra.

Lalaina sy toavina,
tsy mitàna alahelo.
Miteny toa tsy lavina,
lalaina sila-bero.

Faravavin’ny aina,
‘lay mpampiray fo mitia.
Mpamafa ny taraina,
tsy voafafa sanatria!

Faravavy manaja,
miaiky ny maha zandry.
Tsy mba basivava,
na tia manenjan-tsandry.
RRAG
04 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
261 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203