RAMANANTENA… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAMANANTENA… (SAFIDY: 2012)
Nofy ny anao ry zanaky ny alina,
fa raha ny fananako, tsy ariako aminao.
Ianao dia ho fatin’ny hatsiaka misasak’alina,
handeha re mba mody, vonjeo ny tranonao!

Ramanantena toa efa mba tamy,
hisafo mangina ny ranomasonao!
Dia izy mihitsy no hamafa tomany,
antsoy izy, raha sitrakao.

Nofy ny anao ry zanaky ny haizina!
Ny toetrako angamba tsy ho zakanao!
Fa raha vaky trano no mety ho famaizana,
ireo olon-kafa tsy niraharaha anao,
dia izaho kosa manameloka izany!
Fa ny fandeferana no hampilamina ny tany!

Ramanantena toa efa mba vonona,
hanala anao anatin’ny haizina!
Nefa ianao miolonolona,
dia naleony ny lahatra no nitondra famaizana!
RRAG
26 Nôvambra 2012
--------
Rohy:
316 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228