RANGO-PENIKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANGO-PENIKO…
Tomefy alahelo ny foko sy ny saiko,
mahita anao tomany sy vonton-dranomaso!
Hontsa tena hontsa ny atiko sy ny aiko,
raha nahare fa, nisedra ianao ankaso!

Dia nilavo lefona, nandreto-nitomany.
Resin’ny fiainana, sy ny setrasetrany!
Ka nigogogogo nanamando tany,
fa valaka sy drodroka, raha ny eritreriny!

Nandady izy! Nifona sy nivalo!
Nahatsapa fahadisoana, vita taminao!
Saingy ny fonao, efa nandray fahavalo,
‘ty olona nanitatra, ny ràtram-perinao!

Nitolefika ianao! Nandatsaka tomany!
Nisento varaventy, ho an’ilay tiana!
Ny rango-peniko iny, no injay namafa jaly!
Namaky an’iny ianao, dia indro fa variana!
RRAG
16 Nôvambra 2019
--------
Rohy:
522 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163