RANOMASO FARANY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANOMASO FARANY…!
Teo am-pialana aina, no nirotsaka tomany.
Sisasisan-dranomaso, izay tsy ritran’ny aretina.
Hany embom-pahatsiarovana, namandoana ny tany.
Saingy tahiry iray mavesatra, tsy hety ho harafesina!

Sary tsy ho faty an-tsaina, ninoninona holalovana.
Tsy nofy hifohazana maraina, fa tena tsiarom-pahatsiarovana.
Embon’ny lasa mitahiry, alahelo tao an-tratrany.
Izay ‘lay tsiahy, izay ‘lay ranomaso farany!

Ranomason-dReny tia, nanaiky hizaka fahoriana.
Ranomason-dReny tia, nizoga vesa-pijaliana.
Fery anaty hoenti-maty, no fambaran-dranomaso.
Ianao ‘lay zanany anefa, no ‘lay singa mpiankaso!

Dia iny ranomaso farany iny, no sisa toraka nataony.
Iny ranomaso farany iny, ilay fihetsi-tsy fanaony.
Saingy ainy ianao na inona, ninoninona hitranga?
Enga kosa anefa ho iny, no ranomaso hahagaga!

Ka ho ranomasom-panafahana, hanova izay nalehanao.
Ho ranomasom-pandaharana, izay ho mety hoavinao.
Ho ranomaso faran-tazana, dia tsy hisy intsony izany.
Ho foana hatreo ny tany ngazana, toy izany koa ny tomany!
RRAG
02 Jona 2013
--------
Rohy:
332 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334