RANOMASOM-PANAHY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANOMASOM-PANAHY...!
Tomefy alahelo ny fo mbola tia,
hontsa dia hontsa ka resin-tomany,
ny handao ny tiana toa hoe sanatria,
fa iny ihany no tokana an-tany!

Misento mangina ny fo 'zay maràtra,
drodroky ny ady tolona isan'andro,
ihafiana hono fa fiaina-mahazatra,
dia hilefitra foana ve na tsy hahita masoandro?

Raha hangina ny fo tsy hitroatra an'ady,
ny fanahy no hijoro hitaky ny zony,
ny fo tia ekeko fa hilefitra sahady,
saingy ny fery, toa ela vao hitony!

Ny ranomasom-panahy dia fambara alahelo,
fanehoan'ny fetra zakan'ny tena,
famafa ny lasa tsy tiany hihelohelo,
saingy rahoviana ny fo vao hahatsapa-tena?

Ny ranomasom-panahy dia miendrika tody,
tsiny tsy efa tsy ho zakan'ny aina,
tsy hety hositranina, tsy ho hahitam-panafody,
ny ranomasom-panahy dia zogan-taraina!

Ny ranomasom-panahy moa tsy singa,
singa mamatotra fitia mifameno,
mamelona indray ireo feon’ny antsiva,
mandrava ny ratsy minia mihelo!
RRAG
15 Aogositra 2017
--------
Rohy:
538 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723